Naboth's Vineyard

1. And it came to pass after these things, that Naboth the Jezreelite had a vineyard, which was in Jezreel, hard by the palace of Ahab king of Samaria.
1. Après ces choses, voici ce qui arriva. Naboth, de Jizreel, avait une vigne à Jizreel, à côté du palais d`Achab, roi de Samarie.
1. Ary izao no niseho taorian' izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanimboaloboka tao Jezirela, tao akaikin' ny lapan' i Ahaba, mpanjakan' i Samaria.
2. And Ahab spake unto Naboth, saying, Give me thy vineyard, that I may have it for a garden of herbs, because it is near unto my house: and I will give thee for it a better vineyard than it; or, if it seem good to thee, I will give thee the worth of it in money.
2. "Et Achab parla ainsi à Naboth: Cède-moi ta vigne, pour que j`en fasse un jardin potager, car elle est tout près de ma maison. Je te donnerai à la place une vigne meilleure; ou, si cela te convient, je te paierai la valeur en argent."
2. Ary Ahaba niteny tamin' i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao mba hataoko saha fambolena anana, fa akaikin' ny tranoko izany, ary hotakalozako tanimboaloboka tsara kokoa noho izy, na vola tokom-bidiny raha izany no heverinao fa tsara.
3. And Naboth said to Ahab, The LORD forbid it me, that I should give the inheritance of my fathers unto thee.
3. Mais Naboth répondit à Achab: Que l`Éternel me garde de te donner l`héritage de mes pères!
3. Fa hoy Nabota tamin' i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan' i Jehovah izany, fa tsy homeko anao ny lovan' ny razako.
4. And Ahab came into his house heavy and displeased because of the word which Naboth the Jezreelite had spoken to him: for he had said, I will not give thee the inheritance of my fathers. And he laid him down upon his bed, and turned away his face, and would eat no bread.
4. Achab rentra dans sa maison, triste et irrité, à cause de cette parole que lui avait dite Naboth de Jizreel: Je ne te donnerai pas l`héritage de mes pères! Et il se coucha sur son lit, détourna le visage, et ne mangea rien.
4. Ary nankany an-trano Ahaba sady nalahelo no sosotra noho ny teny nolazain' i Nabota Jezirelita taminy fa efa niteny izy hoe: Tsy homeko anao ny lovan' ny razako.Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
5. But Jezebel his wife came to him, and said unto him, Why is thy spirit so sad, that thou eatest no bread?
5. Jézabel, sa femme, vint auprès de lui, et lui dit: Pourquoi as-tu l`esprit triste et ne manges-tu point?
5. "Fa Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Nahoana no malahelo loatra ny fanahinao; ka tsy mety homan-kanina ianao?"
6. And he said unto her, Because I spake unto Naboth the Jezreelite, and said unto him, Give me thy vineyard for money; or else, if it please thee, I will give thee another vineyard for it: and he answered, I will not give thee my vineyard.
6. "Il lui répondit: J`ai parlé à Naboth de Jizreel, et je lui ai dit: Cède-moi ta vigne pour de l`argent; ou, si tu veux, je te donnerai une autre vigne à la place. Mais il a dit: Je ne te donnerai pas ma vigne!"
6. "Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin' i Nabota Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanimboalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanimboaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanimboaloboko."
7. And Jezebel his wife said unto him, Dost thou now govern the kingdom of Israel? arise, and eat bread, and let thine heart be merry: I will give thee the vineyard of Naboth the Jezreelite.
7. "Alors Jézabel, sa femme, lui dit: Est-ce bien toi maintenant qui exerces la souveraineté sur Israël? Lève-toi, prends de la nourriture, et que ton coeur se réjouisse; moi, je te donnerai la vigne de Naboth de Jizreel."
7. "Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa izao no manapaka amin' ny fanjakan' ny Isiraely? Miarena ka mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao ; izaho no hanome anao ny tanimboalobok' i Nabota Jezirelita."
8. So she wrote letters in Ahab's name, and sealed them with his seal, and sent the letters unto the elders and to the nobles that were in his city, dwelling with Naboth.
8. Et elle écrivit au nom d`Achab des lettres qu`elle scella du sceau d`Achab, et qu`elle envoya aux anciens et aux magistrats qui habitaient avec Naboth dans sa ville.
8. Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin' ny anaran' i Ahaba, ka notombohiny tamin' ny fanombohan-kasen' andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin' ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin' i Nabota.
9. And she wrote in the letters, saying, Proclaim a fast, and set Naboth on high among the people:
9. "Voici ce qu`elle écrivit dans ces lettres: Publiez un jeûne; placez Naboth à la tête du peuple,"
9. Ary izao no nosoratany tamin' ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan' ny olona i Nabota.
10. And set two men, sons of Belial, before him, to bear witness against him, saying, Thou didst blaspheme God and the king. And then carry him out, and stone him, that he may die.
10. et mettez en face de lui deux méchants hommes qui déposeront ainsi contre lui: Tu as maudit Dieu et le roi! Puis menez-le dehors, lapidez-le, et qu`il meure.
10. Dia anangano roa lahy, zanak' i Beliala ho eo anatrehany, hiampanga azy hoe: Efa nanao blasfemia an' Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao.Dia ento mivoaka izy ka torahy vato ho faty.
11. And the men of his city, even the elders and the nobles who were the inhabitants in his city, did as Jezebel had sent unto them, and as it was written in the letters which she had sent unto them.
11. Les gens de la ville de Naboth, les anciens et les magistrats qui habitaient dans la ville, agirent comme Jézabel le leur avait fait dire, d`après ce qui était écrit dans les lettres qu`elle leur avait envoyées.
11. Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan' i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin' ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
12. They proclaimed a fast, and set Naboth on high among the people.
12. "Ils publièrent un jeûne, et ils placèrent Naboth à la tête du peuple;"
12. Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an' i Nabota teo anatrehan' ny olona.
13. And there came in two men, children of Belial, and sat before him: and the men of Belial witnessed against him, even against Naboth, in the presence of the people, saying, Naboth did blaspheme God and the king. Then they carried him forth out of the city, and stoned him with stones, that he died.
13. les deux méchants hommes vinrent se mettre en face de lui, et ces méchants hommes déposèrent ainsi devant le peuple contre Naboth: Naboth a maudit Dieu et le roi! Puis ils le menèrent hors de la ville, ils le lapidèrent, et il mourut.
13. Ary niditra ireo roa lahy zanak' i Beliala ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an' i Nabota teo anatrehan' ny olona ireo zanak' i Beliala ka nanao hoe: Nanao blasfemia an' Andriamanitra sy ny mpanjaka tokoa Nabota.Ary nentin' ny olona nivoaka teny ivelan' ny tanàna izy, dia notorahany vato ka maty.
14. Then they sent to Jezebel, saying, Naboth is stoned, and is dead.
14. Et ils envoyèrent dire à Jézabel: Naboth a été lapidé, et il est mort.
14. Dia naniraka tany amin' i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato i Nabota ka maty.
15. And it came to pass, when Jezebel heard that Naboth was stoned, and was dead, that Jezebel said to Ahab, Arise, take possession of the vineyard of Naboth the Jezreelite, which he refused to give thee for money: for Naboth is not alive, but dead.
15. "Lorsque Jézabel apprit que Naboth avait été lapidé et qu`il était mort, elle dit à Achab: Lève-toi, prends possession de la vigne de Naboth de Jizreel, qui a refusé de te la céder pour de l`argent; car Naboth n`est plus en vie, il est mort."
15. Ary izao no niseho, rehefa ren' i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy Jezebela tamin' i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanimboalobok' i Nabota Jezirelita, izay nolaviny tsy nomeny hovidinao fa tsy velona intsony Nabota, fa efa maty.
16. And it came to pass, when Ahab heard that Naboth was dead, that Ahab rose up to go down to the vineyard of Naboth the Jezreelite, to take possession of it.
16. Achab, entendant que Naboth était mort, se leva pour descendre à la vigne de Naboth de Jizreel, afin d`en prendre possession.
16. Ary izao no niseho, rehefa ren' i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin' ny tanimboalobok' i Nabota Jezirelita mba haka izany ho fananany.
17. And the word of the LORD came to Elijah the Tishbite, saying,
17. Alors la parole de l`Éternel fut adressée à Élie, le Thischbite, en ces mots:
17. Ary ny tenin' i Jehovah tonga tamin' i Elia Tisbita ka nanao hoe:
18. Arise, go down to meet Ahab king of Israel, which is in Samaria: behold, he is in the vineyard of Naboth, whither he is gone down to possess it.
18. "Lève-toi, descends au-devant d`Achab, roi d`Israël à Samarie; le voilà dans la vigne de Naboth, où il est descendu pour en prendre possession."
18. "Miaingà, ka midìna hihaona amin' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin' ny tanimboalobok' i Nabota izy, ka lasa nankao mba haka izany ho fananany."
19. And thou shalt speak unto him, saying, Thus saith the LORD, Hast thou killed, and also taken possession? And thou shalt speak unto him, saying, Thus saith the LORD, In the place where dogs licked the blood of Naboth shall dogs lick thy blood, even thine.
19. Tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel: N`es-tu pas un assassin et un voleur? Et tu lui diras: Ainsi parle l`Éternel: Au lieu même où les chiens ont léché le sang de Naboth, les chiens lécheront aussi ton propre sang.
19. Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Efa namono va ianao, ka efa naka ho fanananao koa? Ary hiteny aminy ianao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Ao amin' ny toerana izay nilelafan' ny alika ny ràn' i Nabota no hilelafan' ny alika ny ranao, dia ny ranao tokoa.
20. And Ahab said to Elijah, Hast thou found me, O mine enemy? And he answered, I have found thee: because thou hast sold thyself to work evil in the sight of the LORD.
20. Achab dit à Élie: M`as-tu trouvé, mon ennemi? Et il répondit: Je t`ai trouvé, parce que tu t`es vendu pour faire ce qui est mal aux yeux de l`Éternel.
20. Ary hoy Ahaba tamin' i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason' i Jehovah.
21. Behold, I will bring evil upon thee, and will take away thy posterity, and will cut off from Ahab him that pisseth against the wall, and him that is shut up and left in Israel,
21. "Voici, je vais faire venir le malheur sur toi; je te balaierai, j`exterminerai quiconque appartient à Achab, celui qui est esclave et celui qui est libre en Israël,"
21. Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin' ny taranak' i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin' ny Isiraely.
22. And will make thine house like the house of Jeroboam the son of Nebat, and like the house of Baasha the son of Ahijah, for the provocation wherewith thou hast provoked me to anger, and made Israel to sin.
22. et je rendrai ta maison semblable à la maison de Jéroboam, fils de Nebath, et à la maison de Baescha, fils d`Achija, parce que tu m`as irrité et que tu as fais pécher Israël.
22. Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak' i Jeroboama, zanak' i Nebata, sy tahaka ny taranak' i Basa, zanak' i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
23. And of Jezebel also spake the LORD, saying, The dogs shall eat Jezebel by the wall of Jezreel.
23. L`Éternel parle aussi sur Jézabel, et il dit: Les chiens mangeront Jézabel près du rempart de Jizreel.
23. Ary ny amin' i Jezebela koa dia nolazain' i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an' i Jezebela eny ivelan' ny mandan' i Jezirela.
24. Him that dieth of Ahab in the city the dogs shall eat; and him that dieth in the field shall the fowls of the air eat.
24. Celui de la maison d`Achab qui mourra dans la ville sera mangé par les chiens, et celui qui mourra dans les champs sera mangé par les oiseaux du ciel.
24. "Izay tamingan' i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin' ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin' ny voro-manidina eny amin' ny habakabaka."
25. But there was none like unto Ahab, which did sell himself to work wickedness in the sight of the LORD, whom Jezebel his wife stirred up.
25. Il n`y a eu personne qui se soit vendu comme Achab pour faire ce qui est mal aux yeux de l`Éternel, et Jézabel, sa femme, l`y excitait.
25. Fa tsy nisy tahaka an' i Ahaba, izay nivaro-tena hanao faharatsiana eo imason' i Jehovah, satria nampirisihin' i Jezebela vadiny izy.
26. And he did very abominably in following idols, according to all things as did the Amorites, whom the LORD cast out before the children of Israel.
26. Il a agi de la manière la plus abominable, en allant après les idoles, comme le faisaient les Amoréens, que l`Éternel chassa devant les enfants d`Israël.
26. Ary nanao fahavetavetana loatra izy tamin' ny nanarahany ny sampy, dia araka izay rehetra nataon' ny Amorita, izay noroahin' i Jehovah teo anoloan' ny Zanak' Isiraely.
27. And it came to pass, when Ahab heard those words, that he rent his clothes, and put sackcloth upon his flesh, and fasted, and lay in sackcloth, and went softly.
27. "Après avoir entendu les paroles d`Élie, Achab déchira ses vêtements, il mit un sac sur son corps, et il jeûna; il couchait avec ce sac, et il marchait lentement."
27. Ary izao no niseho, rehefa ren' i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
28. And the word of the LORD came to Elijah the Tishbite, saying,
28. Et la parole de l`Éternel fut adressée à Élie, le Thischbite, en ces mots:
28. Ary ny tenin' i Jehovah tonga tamin' i Elia Tisbita ka nanao hoe:
29. Seest thou how Ahab humbleth himself before me? because he humbleth himself before me, I will not bring the evil in his days: but in his son's days will I bring the evil upon his house.
29. "As-tu vu comment Achab s`est humilié devant moi? Parce qu`il s`est humilié devant moi, je ne ferai pas venir le malheur pendant sa vie; ce sera pendant la vie de son fils que je ferai venir le malheur sur sa maison."
29. Hitanao va ny nanetren' i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy, dia tsy hahatonga loza amin' ny androny Aho, fa any amin' ny andron' ny zanany vao hahatonga loza amin' ny ankohonany Aho.
<
>